Eto ianao : fandraisana> Mombamomba> hery

Eritreritr'i hery

Safidy momba ny eritreritra mandalo

hery 23/05/2013 10:53
Tokony ho firy taona vao afaka tena mitendry mozika raha ankizy tsotra tsy dia tena hoe manan-talenta tahaka ny sinoa? Ny anay, izao vao nahay tia zaza fiverenana tendry tokana

hery 23/05/2013 10:53
Inona hoe? Haterina amin'ny 1er mai hoe ny kandra? Izany ve tsy efa filam-baniny tsotra izao?
hery 23/05/2013 10:53
Tafatsangana tokoa ny Tompo, Aleloia... tratry ny Paka daholo.
hery 23/05/2013 10:53
Mila mitandrina foana fa na dia faran'izay mahay mitondra fiarakodia aza ianao dia mety tsy hahay hitondra, na mamo, na resin-torimaso ilay mpamilin'ny fiarakodia mifanena aminao...

https://lh5.googleusercontent.com/-Jm1jDzC2ifM/UVClPxbqNyI/AAAAAAAATWw/PUGTyoR1Xws/2013-03-25+20.14.40.jpg
hery 23/05/2013 10:53
Hmmm... 100-300mm f5.6, asa na hanao ahoana fa azo mora
https://lh6.googleusercontent.com/-FcHYn3H5iiQ/UVDn7uIbwoI/AAAAAAAAAPo/gTivKFjoSSA/IMG_4458.JPG
hery 23/05/2013 10:53
Oh, tena mitovy tokoa an. Raha raisina ny tononkira amin'ilay faharoa dia hiraina amin'ilay feonkira voalohany dia mety tsara koa.

Sweet Memories


Ry lasako.

Ny tononkira: http://tononkira.serasera.org/hira/solo/ry-lasako
hery 23/05/2013 10:53
Mahafehy ny zava-nitranga tao Madagasikara amin'ny lafiny toekarena, politika, fiaraha-monina. Hoy izy raha niteny ny niseho tamin'ny 26 janoary 2009 izy "Mba fantatr'ireo nandoro ny fananam-pirenena ve fa ho very mandrakizay ireo zavatra nodorany?"

hery 23/05/2013 10:53
Handeha hanatrika ny fetin'ny tenin-dreny any Milano izany rahampitso... iza no handeha? ......
hery 23/05/2013 10:53
Ity no atao hoe Cable USB Printer

http://4.bp.blogspot.com/-y5UXVGVL224/T_1eu18NMmI/AAAAAAAACxI/bY0eVqVFtlc/s400/USB-to-Printer-Cable_2.jpg
hery 23/05/2013 10:53
Mirary noely sambatra ho antsika rehetra e. Hitondra finoana, fanantenana ary fitiavana vaovao ho antsika rehetra ilay Teny tonga nofo
hery 23/05/2013 10:53
Apetrako ato fotsiny ity (fa tsy zesta akory loll)

hery 23/05/2013 10:53
Non vivo più senza te "encaissé, encaissé"
hery 23/05/2013 10:53
Miomankomana fatratra ny #Malagasy eto Roma fa fotoan-dehibe no hatrehina amin'ny alahady Jacques #Berthieu Hasandratry ny Papa Benoa XVI ho olomasina tokoa mantsy ity pretra zezoita izay martiry tany Madagasikara ity.
hery 23/05/2013 10:53
Enga anie mba ho avy toa ny aty koa ny orana any Roma any fa izay no antony tsy nanekeko hanao ilay asa iray androany lol
hery 23/05/2013 10:53
Izaho anefa ity, mbola mihaino ny fitsitaitaikan'ny oram-pararano. Efa ho avy ny ririnina
hery 23/05/2013 10:53
Oh, matory daholo ny olona
hery 23/05/2013 10:53
Mba niandry mafy mihitsy ny hitsambikinan'i Felix Baumgartner aho omaly saingy nisy rivotra be hono dia tsy nahazo niakatra ilay baolina mitondra azy... Ho hita eo indray ny androany. Avy eny amin'ny 30 km mahery hono no hitsambikina mantsy... ka ny hafainganan'ny filatsahany avy eny dia mihoatra ny hafainganan'ny feo.

Rehefa tsy matimaty fahatany dia tsy maninona.
http://images.nationalgeographic.com/wpf/media-live/photos/000/258/cache/felix-baumgartner-stratos_25874_600x450.jpg
hery 23/05/2013 10:53
Pff, nety ihany nony farany. Zavatra tsy dia nisy dikany tahaka ity no nandaniako adin'ny firy. Mafy ihany rehefa donto lolll http://forum.serasera.org/forum/message/m5071e61bdeeb4
hery 23/05/2013 10:53
10 taona izay no nisian'ny namana.serasera.org http://goo.gl/dCYxi
hery 23/05/2013 10:53
Efa ela mihitsy no tsy nijery sarimihetsika madio tahaka itony... People Like Us http://www.imdb.it/title/tt1716777/
tsisy kitifitifitra, tsisy kitolotolona, tsisy kifanoroka, tsisy kisotro toaka, tsisy fanenjika fiara, tsisy rongony... kanefa mbola tsara ihany

 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17 18 19 20 21 >  Farany