Kdaombaramita 14/12/2009 18:30
Tsy ny ratsy sy ny tsara no misy fa ny tiana sy ny tsy tiana.

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

6. Kdaombaramita 16/12/2009 15:20
Hery < "Fantany fa tsara ilay mihira saingy tsy tiany fotsiny" matoa tsy mihira izy dia satria tsy tiany ilay mihira nefa na izany ary dia lazain'ny olona tsara dia manaiky izay hevitr'olona izy izany, fa raha aminy manokana dia matoa tsy nataony efa ela dia misy tsy tiany ao izay. Ilay resaka fosa indray ohatra dia ratsy ilay izy eo amin'ny mpiara-monina nefa dia ataony satria tiany ary tsy afaka aminy io rehefa tiana Fandravoana ilay hevitra dia mila manavaka ny hevitr'olona sy ny hevitry ny tena ilay izy. Ka ity hafatra napetrako ity dia hevitry ny tena irery ihany fa tsy miankina amin'ny hevitry ny fiaraha-monina
5. maeva74 15/12/2009 15:45
Izay rehetra tsara loko dia tsy tsara amiko raha tsy tian'ilay foko
4. cutie 15/12/2009 13:56
tsara matoa tiana, ratsy matoa tsy tiana :-D
3. hery 15/12/2009 09:13
Misy izao olona tsy mba tia mihira mihitsy. Fantany fa tsara ilay mihira saingy tsy tiany fotsiny.
Misy indray olona dia tia mifosa olona mihitsy. Fantany fa tena ratsy ilay izy saingy tsy azoazony mihitsy ny ainy raha tsy mifosa.

Misy lazainao fa ratsy kanefa tianao
dia misy fantatrao fa tsara izao kanefa tsy tianao.
2. Kdaombaramita 15/12/2009 08:53
Ka ilay izy anie matoa lazainao ratsy dia satria tsy tianao, ianao io fa tsy ny hafa an, ary matoa tsara foana ilay izy na dia ratsy aminao aza dia tsy hevitrao izay fa hevitry ny hafa tia azy no mahatara azy foana fa raha aminao manokana dia ratsy io
1. hery 15/12/2009 08:00
Misy ratsy sy tsara amin'ny ankapobeny kosa e. Dia misy koa ny efa ratsy nefa tiana ihany... tsy mivadika ho tsara mihitsy. Sy ny zavatra tsara tsy tiana dia mijanona ho tsara ihany.
mg