voaramanitra 14/01/2010 14:59
Fa mba rahoviana ny serasera malagasy vao mba hankamamin'ny tanora malagasy tahaka irony Facebook irony??? Mahagaga, ny hafa tiavina fa ny an'ny tena indray no toa atao ambanin-javatra.

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

13. manampyp 20/02/2012 12:19
le toe-tsaina mbola voazanaka dia tsy miova hoan'izay makamamy ny any hafa e!!!
12. voaramanitra 15/01/2010 04:29
pikatti>> Aza malaky miakatra moa e! Mbola taloha lavitra noho ianao tato ny tenanay. Jereo ny momba ahy.
Mahereza e! Mahafinaritra anie rehefa tia tanindrazana e!!!
11. voaramanitra 15/01/2010 04:23
maeva>> Tsy ratsy ny facebook, ary anisan'ny mankafy azy ny tenanay. Tsy atao latsa-danja amin'izany anefa ny an'ny tena malagasy. Tsy hoe tsy tsara ny mandray fandrosoana hafa fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe "Fa mba rahoviana ny serasera malagasy vao mba hankamamin'ny tanora malagasy tahaka irony Facebook irony?"
10. hery 14/01/2010 23:34
Be dia be ny mety ho antony sy mety ho olana:

- Mety hoe tia roa. Izany hoe tsy manao ambanin-javatra ny an'ny tena. Hitako misy mazoto be any @ facebook fa mazoto be eto ihany koa. Tsy manambany ny eto izy noho izany.

- Misy tsy mieritreritra hoe an'ny tena ny eto Izany hoe tsy eritreretiny hoe manan-danja ka na tsy mandeha eto aza izy dia tsy mampaninona azy ihany koa. Tsy manambany ny an'ny tenany koa izy amin'izany satria tsy an'ny tenany no iheverany azy.

- Misy indray manana préjugés hoe ny olona eto dia zao sy zao fa ny olona ary dia zao sy zao. Tsy maninona koa izany fa samy manana ny hanitra ho azy sy ny tanjon'ny fisiany.

Raha izaho manokana dia tamin'ny voalohandohan'ny desambra aho no nanapakevitra tsy hijery facebook intsony. Hatramin'izao dia tsy mampaninona ahy akory izany. Alamiko fotsiny ny eritreritro hoe raha misy te hitady ahy dia mitady ahy ato amin'ny serasera izy. Izaho tsy miteny hoe manaova an'izany fa tsy hahavita an'izany ianareo

Raha ny momba ny hoe namana mety ho hita dia talohan'ny nisian'ny FB dia efa teto koa aho no nihaona tamin'ny fianakaviana tsy nampoizina sy namana tsy nampoizina. Mazava ho azy anefa fa ny habetsaky ny namana ato ihany no hampety kokoa an'izany.

Fa misy mahagaga tokoa aloha indraindray.

- Eto amin'ny serasera dia sarotra mihitsy vao manaiky mampiditra sary ny namana. Any anefa dia misy sary daholo. Any anefa dia be dia be ny info hita, ny anarana sns. Ny eto efa mba natao hoe solonanarana.
- Efa mba nisy niteny ve nareo amin'ny olona hoe Jereo ny profile serasera-ko? Dia nefa impiry miteny hoe jereo ny profile facebook-ko Ho an'ireo izay mbola tsy mahalala, ny profile serasera-nao dia http://namana.serasera.org/profile/solonanarana (ohatra hoe http://namana.serasera.org/profile/hery)

Fa izay e, samy manana ny hanitra ho azy io. Izay hita any mety tsy hita eto, ary izay hita eto mety tsy ho hita any... dia arakarak'izay tadiavina.
9. pikatti 14/01/2010 22:09
oadray , fa iza no miteny @ voara fa dizina daholo ny kofa ato , ndao hifanao rdv de hatoroko anao daholo izay tadiavinao fa olona ato @ ity serasera ity daholo , zah aza mba nanontany tena hoe ary taiza foana ianao fa ny tanora efa vrak be ato, ilazao any daholo koa izay namanao fa misy ny ilainao ato ka lol
8. maeva74 14/01/2010 19:41
Tsy azonao ny tiako ho lazaina! ilaina dia ilaina ny fivoarana. ohatra hoy ianao ilay facebook vazah no nanao anio nefa tsy natokany ho an'i vazah irery fa ny olona eran'izao tontolo izao. ary raha mahita ianao dia misy gasy marobe ao ary mifampiresaka @ teny malagasy tokoa, ao koa anefa ireo mindrana ny fitenin'ny hafa nohon'ny fahazarana angamba ary ao ireo mbola manaja ny azy, ao amin'io facebook lazainao io dia misy soa azo tokoa ao. ohatra ny fihaonana @ fianakaviana samy lavitra ny fifanakalozan-kevitra @ gasy marobe erantany ary findramana ihany koa ny kolotsain'ny hafa. Misy lafy ratsiny ao ary misy koa ny lafy tsarany . koa izay ilay lazaiko hoe:" ny soa fianatra, ary izay hitanao fa ratsy de aloavy.
raha nanao ny antsy ny mpandinika iray dia nataony ampiasaina hitetehana zavatra toy ny hena nefa nisy ny nanita-tsaina ny hampiasa ny antsy ho hamonona olona.Eo dia isika olombelona no mamitaka antsika ihany. ity serasera ity de nataon'ilay mpamorona azy ho hifandraisan'ny gasy maro eto an-tany nefa misy amintsika ato ny mampiasa azy amin'ny zavatra hafa, ohatra maro no azo tarafina.
nahoana isika malagasy tsy nijanona nanao salaka foana satria izay ny fiankanjo teo aloha !!! niova isika satria nahita ny fiakanjon'ireo vahiny nahafinaritra ny maso
Misaotra anao
7. Raliet 14/01/2010 18:57
Bsr!ity zavatra lazaiko ity angamba mety hifanaraka amin'ny fanamarihanao ihany koa,ary mety hisy ifandraisany ihany koa angamba. Mba rahoviana no mba ho voaova any amin'y dictionnaire ho tsy hoe Malgache intsony fa efa hoe "MALAGASY" amin'izay no fiteny rehefa miteny frantsy.Ny tena mampalahelo mantsy dia hita fa misy haratsian-tsain'ny vazaha ny nanononany io fiantsoana izay hita fa teny roa natambatra ary manana ny dikany mazava= Mal-gache(r), izay hita fa tena ompa mihitsy;Ary ny tena tsikaritra aza dia toa tena mandaitra ilay ompa, satria sady tsy vazah isika ity no tsy gasy, ka tsy tokony ho gaga ianao rah tsy ankmamian'ny tanora malagasy ity sehatra ity.Ny hoe Tananarive mantsy dia efa misoratra hoe Antananarivo amin'izai dictionnaire mivoaka. Mila mahatsiaro tena mihitsy isika rehetra fa tsy hisy fiovana sy fandrosoana amihitsy isika raha tsy mifototra amin'ny maha-malagasy, ary tena ovaina tanteraka mihitsy ny toe-tsaina,ialana ireo rehetra toe-tsaina ratsy nanimban'ny vazaha antsika. mirary soa!
6. voaramanitra 14/01/2010 18:36
Maeva>> raha ny hevitrao izany dia karazan'irony "ratsy aloa" ny antsika? Tandremo anefa sao "mivoatra ho amin'ny fihemorana".
5. voaramanitra 14/01/2010 16:18
Marina, tokony ampidirina anatin'ny sain'ny malagasy, indrindra indrindra ny tanora ; fa ny antoky ny fandrosoan'ny Taniny dia voalohany indrindra : ny fitiavany ny Azy sy ny maha-malagasy Azy.
4. maeva74 14/01/2010 16:16
Fombany daholo izany tia fivoarana ny malagasy tsy hoe isika ihany fa na ireo vahiny aza dia manadino ilay fomba taloha na eo amin'inona izany na eo amin'ny inona ary hilaina ny mitsidika ny hafa mba ahazoana hevitra vaovao " tsara ny maka tahaka ny fahatsarana" izay soa dia atelina ary izay ratsy koa aloa
3. Racypre 14/01/2010 15:44
Manomboka amin'ny fanajana ny FITENY MALAGASY io zavatra io... enga anie mba homena ny hasina sahaza azy ny tenin-drazantsika ka izay miteny sy manoratra dia mba miezaka ny tsy hanafangaro azy amin'ny fiteny hafa...
2. voaramanitra 14/01/2010 15:27
Ny ankabeazany anie mamehy ny an'ny hafa fa ny azy tsy mba ataony zava-dehibe e!!!
1. maeva74 14/01/2010 15:19
Tahaka ny hoe: " Andrianiko ny teniko ny hafa koa feheziko!!! lia
mg