maeva74 02/02/2010 16:23
Ao ambadiky ny orana mikija hono no misy ilay masoandro be mibaliaka ; ary ao ahorian´ny tomany no misy ny tsiky. Ary ekena koa fa kodiaran-tsarety ny fiainan- janak´olombelona, ka mifamadika ambany ambony. Eny! Lazaina koa fa valim- piakarana fidinana. Nefa any ho any dia mbola misy ihany ireo miezaka ny mitraka hibanjina ireo hazavana omen´ity masoandro sy miezaka miandry ilay tsiky hisoritra eny amin´ireo endriny nefa toa maizina hatrany no tazan´ny masony,oran- dava mandava-taona no hiainany, mitrongy vao homana.Toa anaovan´ny fiainana enji- dratsy foana. Dia izay ve no lahatra sy anjaran´izy ireo? Moa va tsy natokana ahazo ny anjara-masoandrony avokoa ny voahary rehetra?
Maeva74

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

2. Fanhaiky 06/02/2010 08:32
Na izaho koa aza anie mba manontany tena toy izany foa hoe natao ho an'iza ny hafaliana dia natokana ho an'iza ny fahoriana, moa tsy samy voary nataon'Andriamanitra hitovy daholo...
am-pitiavana be foana
1. radoom 04/02/2010 11:28
samy natokana ahazo ny anjaramasoandrony dhl saingy eo ilay fitenenana hoe
tsy mety afa-po hoa ra olombelona. de izao kou anefa samy mizaka ny hazo
fijaliany ny tsirairay fa miovaova araka ny olona io hazo fijaliana io fa tsy mitovy
dhl akory
mg