hery 10/02/2010 09:20
Inona indray hono izany Gogla Bazy zany? (Google buzz) Tsy vitan'i Google ny nividy ny twitter na facebook dia namorona ny azy manokana izy.

Tsy ratsy ilay hevitra fa aleo hisy ny fifaninana.

Fantatrao moa fa izaho tsy mandeha ao amin'ny Facebook intsony efa ho 3 volana izao? Tsy hoe tsy tia fifandraisana aho akory, sanatria, satria ilay hanamafy fifandraisana mihitsy no antony namoronana ny serasera. Fa nanjary nandany andro ahy loatra ilay izy dia tsy nisy fotoana nahafahana nikarakara ny serasera intsony. Kanefa eto mbola betsaka ny zavatra azo atao.

Taorian'ny nialako Facebook dia nanjary nitombo indray ny tolotra eto amin'ny serasera...

Fa izany eo ihany, hojerena ny fiaingan'izany Google buzz izany fa toa malaza (ankalazaina) be.

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

1. Mirananirina 12/02/2010 13:49
ny olona rehetra variana any aminy facebook daholo ko
mg