Nofy2 04/11/2014 11:52
Saino ihany

Mba nosaininao ve ny fijaliany
Fa ianao olon-tiany no indro mivadika ?
Azonao an-tsainy ve ny fahoriany
Fa ilay nantenainy no tonga namadika ?

Ny fitiavanareo nitondrany am-bavaka
Ny ho avinareo novetsovetsony
Norarinao mba hilatsaka an-davaka
Izany no setrin’ilay tao am-pony

Nataony daholo izao rehetra izao
Entina mba hitazomana anao
Mba tsapanao ve izany ezaka izany
No dia sahinao tapahina ihany?

Dia tsy menatra akory ‘lahy izato ianao
Miseho tena tia nefa hay hilalao
Naleonao namonjy olon-kafa
Namotika ilay fitia lalim-paka

Mba saino ihany fa sao hanenenana
Ka rehefa voadoana vao hoe andeha hiverina

Nofy2
03 septembre 2009
http://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/saino-ihany

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

1. betroand 16/01/2015 04:52
Miarahaba anao ary maneho fisaorana ihany koa. Enga anie ho taona feno fahasoavana, fahombiazana @zay rehetra atao indrindra fahasalamana ho anao ity taona vaovao ity. Tiako be ilay tononkalo saingy tsy mba mahay toy izany aho.Ianao angaha mpanoratra? Andry no fiantso ahy. Olona tsotra @ lafiny rehetra; miasa ary manaja ny hafa ihany koa. Hatreo aloha angamba fa sao tara eto aho. Mamerina ny fisaorana ary mirary tontolo andro mahafinaritra.
mg