Vouromanga 30/09/2016 14:43
SORATRAO
Banjino kely anie
ilay tànanao nanoratra
niteny tsy niamba
hoe izao sy izao.

Moa tadidinao o?
sa hodianao hadino
dia ho averiko indray
vakio, vakio anie e:
fa nahoana no nolavinao ny foko
azonao ny mamy, ka adinonao ny voady
anehoanao izany ny fitarihan'ady
ka ny tena tianao dia ny fiteny izay maloto

Dia indro ka valiako:
tsy izao angamba izany
sa?
tsy tokony ho ahy, ilay hafatrao
fa safoy aloha ny maso, tsongoy ny sofinao
dia ho voavalinao ihany
io, d'ilay SORATRAO
fa hafahafa izy izany.

VOUROMANGA (saika lasany aho)

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

1. soa.tiana 07/10/2016 09:12
Fa inona le hafatra ?
mg