soa.tiana 10/01/2017 09:08
Asa foana - Rado
Tiako holalovana, nefa iviliako
Tiako hitsikiana, kanefa tsy sahiko
Tsy fantatro akory, kanefa itsikiako
Tiako harovana, nefa tsy ahiko.
Tsy fantatro anarana fa amoronako
Tsy nisy mpanery fa tonga safidiko
Rano tsy fantatro, nefa nilomako
Mbola tsy hitako, nefa tadidiko.
Efa nidify vao lasa ho nofiko
Efa any ho any vao tiako hiarahana
Tsy mifanatrika vao notohofiko
Efa tsy hita vao tiako hiresahana.
Asa foana 'ty mahazo ahy
Izay tiako hambara tsy hain'ny vavako
Toa falifaly aho no sady manahy
Hay vaky felana teo ny fitiavako !
23 desambra 1983

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

2. mariajosefa 12/01/2017 17:16
Bola tolotra MANOKANA hifady hanina

Hello!
Isika manam-pahaizana ara-bola ny orinasa afaka hanao findramam-bola
vola tsindrona dia vola izay ilaina sy ny
toe-javatra izay mahatonga ny asa ara-toekarena hafa.
Manolotra fampindramam-bola izahay na inona na inona ny € 10.000 ho € 500 tapitrisa
manana 2% anjara sy ny fanaraha-maso ny banky araka ny tokony firaketana an-tsoratra.
raha liana ianao dia mifandraisa aminay ny adiresy Email: mariajosefagongora-at-gmail.com
1. kanjami 10/01/2017 12:47
Mahalasana fisainana lalina mampahatsiaro an'ilay hira hoe '' Hay ve ka nisy''
mg