soa.tiana 21/03/2017 11:20
iaviko mangina
Tiaviko mangina ianao, nefa tsisy mpahalala
Ary ianao mihitsy aza tsy hahafantatra fa tiako
Tononiko ny anaranao dia ampiako hoe " malala"
Saingy tsy asiako feo fa izany no hafaliako. ?
Ny toerana ihaonantsika? Ao an'eritreritro ao
Tsy sembanin'iza n'iza na izay mpitsongo dia
Ao manarampo ny foko raha manoroka anao
Sady mitantara mora ny hafenoan'ilay fitia. ????
Vao mamaky ity ianao, ka manontany tena hoe:
" Sao mba izaho kosa re ity voasorany eto ity?"
- Tena ianao mihitsy fa aza asiana resabe
Satria vao manontany tena dia efa raisiko fa tia. ????
Rado - 23 Mai 2000

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

1. tantanana 30/03/2017 12:42
hihihi, lazaiko fa ho ahy, sa tena ho ahy, hihihi
mg