ikalamako 07/02/2018 20:38
Saika hataoko blaogy ity nefa zavatra fohy tiako tehirizina fotsiny. Hay moa misy "eritreritra mandalo" ato.
Tiako raketina ato fotsiny ilay nofiko nahalasa saina ahy tamin'ny alatsinainy alina. Fanindroany izay aho nanonofy toa izao, hoe nazava be tamiko ny endrik'ilay olona, ny fitsikiny, ny masony miteny, eny fa na ireo kentron'handriny aza. Nofy toa mampita hafatra ho ahy no andraisako azy.
Ny voalohany, 9 taona lasa izay, nahazoako valiny telo volana tatý aoriana. Ity indray toa mampita amiko izay tsy sahy lazaina ahy. Ka dia raisiko amin'izay izy aloha.
Soratako eto ity mba hanazavako atsy ho atsy hoe naninona aho no nananona tamin'ity fotoana ity.

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

Valiny

2. ikalamako 08/02/2018 13:10
@kanjami hihihi eo mahita izy an
1. kanjami 08/02/2018 08:17
Miandry izany zahay é
mg