cyrilviril 18/03/2020 16:57
SORAKODIA

Ny soratra dia fiara nitondra anao fahazaza
Nitety fahalalàna hampita anao ho fanta-daza
Nanoratra ny momba anao izy
Vao ianao nahita masoandro
Izao izy tsy mamela anao ambozizy
Aina no fetra, olom-banona ianao indray andro
Ka mba omeo fiara koa re ny soratra
Fa amin'ny fiainantsika io koa no mba hozatra.

Ny soratra koa dia dian-tongotrao ihany
Manitsaka izay alehanao rehetra eto an-tany
Na diso io na marina : io no eritreritrao
Lokomena koa midorehitra eo imolotrao
Vao nanomboka ianao fony garabola
Izao ianao mikajy sy mikirakira vola
Ka mba tolory ny soratra koa re ny kiraro
Hijejoan'ny faladihanao imason'ny besinimaro.

Ny soratra moa indrindra dia vavolombelona
Manamafy ny voadinao maha olombelona
Manan-jo ianao na miteraka na manambady
Olom-pirenena ianao manasonia sy misamboady
Ny zanakao zory amin'ny lalana tena izy
Aza miamboho adidy fa fahiny efa samy ankizy
Ka mba ampiteneno re ny feon'ireo soratrao
Apatraho ny ranomaintiny anivon'ny orana mitrahotraho.

andrymaranitra (Andry), in Kodiaran-tsoratra, 2007, 7 alina 42

Hamaly

Midira raha hametraka hevitra

mg