Ho serasera mivoatra hatrany

Nampidirin'i : hery
Ny : 02/03/2010
Tao amin'ny : Ankapobeny

Maromaro ihany ny zava-baovao madinidinika natao tamin'iny volana febroary iny ka atolotra ho anareo amin'ity volana marsa ity. Ny vaovao hitako hoe mivaingana indrindra anefa dia ny fitsanganan'ny Fikaonandohan'ny mpandrindra ny serasera na koa ny conseil d'administration-n'ny serasera.

Tamin'ny 20 febroary teo tao Paris no nananganana sy nivoriana voalohan'ny fikaonandohan'ny mpandrindra ny serasera. Misy fito ny mpikambana ao amin'io fikaonandoha io ary ny tena tanjony dia ny hiara-miasa akaiky kokoa amin'ny fampandehanana ny serasera.org amin'ny ankapobeny. Efa nanomboka tamin'iny volana janoary sy febroary iny ny jery todika sy dinidinika momba ny zavatra mbola hatao, fa tamin'io 20 febroary tao Paris io kosa no nametrapetrahana ny andraikitry ny tsirairay. Hozaraina amintsika miandalana eny ihany izany fa amin'izao dia tiana hampahafantarina antsika ofisialy ny mpikambana ao amin'izany fikaonandoha izany dia tsy iza fa i Hanitra (sipagasy), Rondro (ikalamako), Mary Lou (mimoza), Hajalalaina (Raozigasy), Nirina (ds), Tahina (sabmth) ary i Hery (hery). Noho ny mbola fahasahiranany moa dia nangataka hijanona ho mpanolokevitra aloha i Lanto (lanto) sy i Lalaina (arialy). Izahay ireo dia nifanaiky ny hitady izay fomba hampandrosoana hatrany ity serasera.org ity. Nifanome teny fa hiara-miasa akaiky kokoa, koa hisy ny fivoriana matetitetika izay hatao amin'ny internet sy ny fihaonana ihany koa rehefa ilaina.

Izay ny momba iny, fa ny zavatra vitsivitsy nampidirina tamin'iny volana febroary iny dia ireto:

Ny eritreritra mandalo

Rehefa miditra ao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org ianao ka mampiditra solonanarana sy tenimiafina dia tonga dia misy toerana hametrahanao izay eritreritra mandalonao eo. Ny zavatra soratanao eo dia azon'ny namana vakiana ary azony ametrahana hevitra ihany koa. Mitovitovy amin'ilay tolotra omen'ny twitter.com io saingy ny mampiavaka azy dia azo ametrahana hevitra eo ambany avy hatrany. Raha toa moa ka manana kaonty ao amin'ny twitter.com ianao dia azonao ampidirina ao amin'ny mombamomba anao izany ka izay soratanao ao amin'ny eritreritra mandalo dia miseho avy hatrany any amin'ny twitter-nao.

Mangataha ho namana

Hatramin'izay dia afaka ampidirinao ho namanao manokana ny namana rehetra. Ny namana ampidirinao ho namana manokana nefa dia tsy voatery mampiditra anao ho namany manokana. Marihina fa raha ampidirinao ho namana manokana ny namana iray dia tsy midika hoe namany manokana ianao fa izy no namanao manokana. Izany hoe tsy mahita ny sariny ianao fa izy no mahita ny sarinao manokana. Amin'izao ary dia afaka mangataka ny mba ho namana manokana ianao. Rehefa mijery ny mombamomba ny namana iray ianao dia misy hoe Te ho namany koa raha toa ka tianao ny ho namany manokana dia azonao tsindrina io.

DVD Serasera faha 10 taona

Vita ihany koa izao ny DVD Faha folo taonan'ny serasera.org. Io DVD io dia mampiseho ny fihaonana vitsivitsy nandritra izay 10 taona izay. Ary indrindra ilay takariva niaraka tamin'ny tarika Ambondrona sy SimJay ary Jobily Weber tao amin'ny Move Mada tao Paris tamin'ny 2 oktobra 2009. Tsindrio eto raha toa ka liana hividy ilay DVD.

Izay indray ary fa holazaina miandalana eny ihany ny fivoarany.

Tsiky dia ampy

Hampiditra hevitra

Hevitra:

1. suspence

2. suspence

ary maninona oa ra mba nifanao fotoana ohatra ny vehivavin'ny serasera rehetra dia mba mi-organiser zavatra kely,tsy hoe adino nareo bandy fa 8 mars e!hi hi,efa 8 mars foana kay moa isan'andro!!!!
sosokevitra kely raha mety!
tokony anana karatra ny mpikambana serasera e! carte unique fa tsy"bulletin a!hm",io carte io dia imprimer special avy @ organisateur, ka ahafahan'ny mpikambana rehetra manao ny fihaonanana toy ny fambolen-kazo ohatra indray andro any,dia mba presence obligatoire arakarakin'ny faritra misy ny tsirairay dia ao ambadik'io karatra io ihany no anamarihana ny presence,au moins zany mba misy fitomboka iray par ans lay carte arakarakin'ny toerana misy ilay olona,na any ivelany na province,sns e!dia iza ilay tete de fil?....mbola afaka omeko ny hevitro fa dinio aloha raha mety an!sao dia za no tarafiavy fa efa zay m_intsy l izy ohatra;
misaotra an'ny mpandrindra oh

3. hery

suspence> Efa misy foana ny fihaonana ataon'ny namana serasera any Dago. Dia manao fambolenkazo sy ny sisa ry zareo. Araho akaiky fa rehefa misy hetsika dia misy ihany ny filazana eto.

4. Kdaombaramita

manana blaogy ato daholo ve ireo namana mpikambana ireo ? ma tiako ho hita e !

ilay mangataka namana manokana izany dia tsy voatery ho reciproque, izany hoe izay rehetra te-hahita ny sariko sy ny mombamomba ahy manokana tsy miera amiko dia afaka daholo ve ? manjary tsy misy discrétion izy izany ?

5. hery

Kdaombaramita> Tsy reciproque ilay izy fa izany hoe tsy arak'io noeritreretinao io.

Izay ampidirinao ho namana manokana no mahita ny sarinao fa tsy izay mampiditra anao ho namany manokana. :-)

Raha ampidiriko ho namana manokana ianao dia tsy mahita ny sarinao aho fa ianao no mahita ny sariko. Tsy afaka mahita ny sarinao aho raha tsy mba ampidirinao ho namana manokana ihany koa. Amin'izay fotoana izay dia samy mahita sary isika.

mg