Natomboka ny fanavaozana

Nampidirin'i : hery
Ny : 12/10/2009
Tao amin'ny : Ankapobeny

Dia nosokafana ny 3 oktobra teo, nandritra ny fankalazana ny faha 10 taonan'ny serasera.org ny takelaka namana vaovao. Mbola misimisy ihany ny zavatra ahitsy fa dia sady manatsara ihany.

Ireto avy ny zava-baovao

Ny chat (Mbola tsy mandeha)

Amin'izao dia azo atao ny miresaka mivantana amin'ireo namana mandalo eto amin'ny takelaka. Mandritra ny andrana dia azo iresahana daholo ny namana rehetra. Rehefa vita kosa ny andrana dia ao amin'ny mombamomba anao no anekenao hoe iza no afaka mi-chat aminao.

Raha hi-chat amin'ny namana iray dia misy fomba roa:

  • Tsindrio ilay Bulle kely  eo akaikin'ny solonanaran'ny namana hiresahana
  • Tsindrio ny solonanarany dia ao amin'ny mombamomba azy misy hoe Hiresaka mivantana

Ny vakiraoka

Manomboka amin'ity tao vaovao ity ihany koa dia misy vakiraoka (brouillon) ny hafatra. Izany hoe tsy voatery alefa avy hatrany fa tehirizina aloha dia tohizana amin'ny manaraka.

Ny sary

Ny sary amin'izao dia voatahiry ao anaty rakitsary. Izany hoe ny tsirairay dia afaka manana rakitsary dia ao anatin'ny rakitsary no misy ny sary.

  • Raha hampiditra sary mivantana dia afaka manindry ilay hoe Hampiditra sary. 
  • Azo atao koa ny mandeha eo amin'ilay hoe Hanokatra rakitsary dia mamorona rakitsary aloha vao mampiditra sary. 

Ny mombamomba anao

  • Ny rohy mandeha amin'ny mombamomba anao dia http://namana.serasera.org/profile/solonanarana
  • Tsy ora any Madagasikara intsony no mipetraka fa ny ora ampiasainao. Mila ahitsy ao amin'ny mombamomba anao ny ora.

Ny filazana amin'ny email

  • Rehefa misy mandefa hafatra ho anao dia mahazo filazana ianao. Azonao atao ny mandeha ao amin'ny mombamomba anao raha tsy te handray ilay filazana intsony

 

Hampiditra hevitra

Hevitra:

1. hoby

2. mikavao

Nankaiza ny lalao échecs?? Tsy hisy intsony angaha @ izao fanavaozana izao?

Mika

3. Hery

mikavao> Tsy niova toerana http://lalao.serasera.org

4. ombalahy

Aza adinoina ny mandefa ny fanavaozana aminay mpikambana fa lasa vahiny b refa elaela tsy niditra tato.Misaotra.

5. orchidee

Manao ahona ê!
tsara ihany ny hahitana ny fidirana farany tato amin'ny serasera...
Mirary fête sambatra ho an'ny rehetra

6. fida

Mirary rivotra madio antsika, tsirairay avy daholo ny tenako!@ity 2011, ity!!! mino aho, fa hisy ny fizoarana , sy fitiavana, indrindra, ny hitoizany i serasera ( mahafaly ahy, ny mahalala hoe; misy olona, mba mitovy fisainana, madio, tia izotra eto)
bravo encore a toute l'équipe de serasera!!!!!

7. Canada Goose jacken

hello!
Moncler
Gucci
Louis Vuitton
Louis Vuitton
Canada Goose
Canada Goose jacken
Moncler

8. latia

est ce que je peut discuté avec les autres car j'n'arivve pas a discuter;merci

mg