Rivo-baovaon'ny taona vaovao

Nampidirin'i : hery
Ny : 15/01/2010
Tao amin'ny : Ankapobeny

Vaovao tokoa ny taona ka samy  miandrandra rivo-baovao ny tsirairay. Isika eto amin'ny namana.serasera.org koa dia mifampirary soa samy hahazo izay tsara iriany amin'ity taona vaovao ity. 

Ho an'ny serasera.org manokana dia ao anatin'ny fandaminana anatiny tanteraka eo amin'ny fandrindrana isika amin'izao fotoana izao. Efa mikaondoha amin'izany ireo namana vitsivitsy mba hitondra rivo-baovao ho an'ny serasera, tsy amin'ity taona vaovao ity ihany fa ho an'ny folo taona manaraka.

Holazaina amintsika tsikelikely eo ihany ny fivoarana rehetra mitranga ary raha misy soso-kevitra na amin'ny ankapobeny na amin'ny pitsopitsony momba ny serasera dia aza misalasal manoratra.

Hampiditra hevitra

mg